Hatramin’ny fianjeran’ny fitondrana teo aloha notarihin’i Atoa #AndryRajoelina sy ny fisehoan’ny 𝑓𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑎𝑜 t𝑎𝑟𝑖ℎ𝑖𝑛’𝑖 Atoa #𝑀𝑖𝑐ℎ𝑎ë𝑙𝑅𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑛𝑖𝑟𝑖𝑛𝑎, ao anatin’ny 𝑓𝑎𝑛𝑜𝑟𝑒𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑅𝑒𝑝𝑜𝑏𝑙𝑖𝑘𝑎, tsy nisy andro iray izay tsy nisy fitakiana, fiovana, eny hatramin'ny fifandonana koa aza.
⚖️ Mangataka ny fialan’ireo ben’ny tanàna ny sasany 🏛️, mifandona eny an-dalambe ny vondron’olona mifanohitra rehefa mifanena 🚧, ary misy mifandangy sy miady eny amin’ny oniversite 🎓…
Tena mitovy amin’ny zaza vao mianatra mandeha 👶🏽 izao toe-draharaha izao : te-hihazakazaka izy nefa tsy mbola mahay mijoro tsara, indrindra iny vao noesorina kely iny ny fefin’ny fandrian-jazany, dia lasa niridana eny rehetra eny.
Ary inona moa no ataon’ny ray aman-dreny amin’izany ?
Ampahatsiahiviny ny fitsipika, apetrany ny rafitra, ary arahiny mba hitombo tsara sy ho matotra ny zanany.
🌱 Miala tsiny na dia tsy te-hampitovy be loatra aza. Fa amin’ny lafiny maro, dia mitovy amin’izany ny vahoaka malagasy ankehitriny : te-hanova zavatra maro, ary fara-fahaingany. Nefa kosa, ny hetahetan’ny fahalalahana sy ny rariny dia mila tantanana, tarihina ary ampianarina.
Ny fitondrana amin’izao fotoana izao dia tokony hitondra toy ny ray aman-dreny 👨🏽🏫 :
👉🏽 hanitsy sy hanampy,
👉🏽 hanorina rafitra mazava,
👉🏽 ary indrindra, hametraka haingana ny rafitra politika sy fitantanana vaovao eny amin’ny sehatry ny 𝑓𝑜𝑘𝑜𝑛𝑜𝑙𝑜𝑜𝑛𝑎 sy ny 𝑓𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦.
🗳️ Tokony atao tsy ho ela ny fifidianana ny lehiben’ny fokontany. Izay no ahafahana manarina sy manamafy ny fiarahamonina malagasy, ary hahafahan’ny mpitondra manana “fandrefesana ny marim-pana ara-tsosialy sy ara-politika” manerana ny nosy. 🌍
#FanorenanaVaovao #Fokonolona #Madagasikara #RarinySyFahalalahana #RafitraVaovao
#Madagasikara Ho An'ny #Malagasy mba ho #soaimadagasikara