Mila manalavitra ireo « 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐬𝐚𝐟𝐨 » sy mpiteny « 𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐢𝐨 𝐏𝐫𝐞𝐳𝐢𝐝à ».
Ianao, Andriamatoa Filoha, efa nilaza tamin’ny vahoaka hoe 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚. Koa dia am-panajana no anateranay ity hafatra kely ity, taorian’ny nandrenesana anao nilaza fa misy 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐯𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐝𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐤𝐨𝐫𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚.
Ekena Andriamatoa Filoha, fa raha nilaza izany ianao dia 𝐧𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 tao ambadik’izany. Saingy kosa, tsy azo lavina fa 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐥𝐞𝐯𝐨𝐧𝐚 ny fahadisoam-panantenana sy ny fahatezeran’ny vahoaka. Mila fotoana izy ireo 𝐡𝐢𝐭𝐬𝐚𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚, 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐨𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚, ary indrindra — 𝐡𝐚𝐦𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚.
🪓 « 𝐕𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐞𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐲 𝐛𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐯𝐚𝐝𝐢𝐤𝐚. »
— Ny asa vita tsara no porofo manamarina ny finiavana.
Mila io 𝐛𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐝𝐢𝐤𝐚 io ny vahoaka malagasy, mba hahatsapany fa 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐨𝐯𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐲. Ary hatreto aloha, dia 𝐡𝐢𝐭𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚 𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚𝐨. Saingy… tokony ho 𝐦𝐚𝐢𝐥𝐨 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐝𝐚𝐯𝐚 ianao, Andriamatoa Filoha, satria 𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐨 𝐟𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨𝐬𝐚𝐟𝐨 𝐬𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐞𝐧𝐲 “𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐢𝐨 𝐏𝐫𝐞𝐳𝐢𝐝à”.
Andriamatoa 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐚𝐣𝐨𝐞𝐥𝐢𝐧𝐚 aza nibebaka mihitsy satria 𝐭𝐚𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐚𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲, ary Andriamatoa isany 𝐇𝐞𝐫𝐲 𝐑𝐚𝐣𝐚𝐨𝐧𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 (2018), 𝐌𝐚𝐫𝐜 𝐑𝐚𝐯𝐚𝐥𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 (2009), 𝐀𝐥𝐛𝐞𝐫𝐭 𝐙𝐚𝐟𝐲 (1996), ary 𝐃𝐢𝐝𝐢𝐞𝐫 𝐑𝐚𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 (1991 𝐬𝐲 2002) dia samy efa niaina izany koa. Tsy vaovao amin’ny fitondrana eto Madagasikara io fomba io. Mbola 𝐦𝐢𝐣𝐨𝐫𝐨 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐨𝐝𝐢𝐤𝐨𝐝𝐢𝐧𝐚 hatrany ireo 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐨𝐥𝐞𝐥𝐚𝐤𝐚 — an'isan'ny fototry ny olana sy ny tsy fandrosoana.
🏛️ « 𝐕𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐥𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐢𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲. »
Ny vahaolana dia ny 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐧𝐣𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 eny ifotony. Ireo no tokony ho 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 iorenan’ny fanavaozana sy fanorenam-pirenena. Tokony homena 𝐭𝐞𝐭𝐢-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚 sy andraikitra manokana ireo, mba ho andrim-panjakana raitra, mba hanamafy ny 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 sy hanampy amin’ny 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐢𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲.
✅ Miala eny ifotony isika, ary ampiharina amin’ny ambaratonga manaraka — isan-tsokajiny.
Fantatray fa efa manomboka miketrika izany ianao, ary nanambara fa hanome lanja indray ny Ray aman-dReny 𝐅𝐅𝐊𝐌. Tsy misy maharatsy izany, fa mba misy teny kely atsipy : Efa tafiditra hatrany ny FFKM isaky ny krizy hatrizay, nefa 𝐭𝐨𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐞𝐫𝐢𝐦𝐛𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐟𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐤𝐫𝐢𝐳𝐲 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐭𝐲. Sao mba misy 𝐬𝐨𝐚𝐭𝐨𝐚𝐯𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐭𝐬𝐨𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚 amin’ny traikefan’i 𝐑𝐰𝐚𝐧𝐝𝐚 :
- Rehefa vita ny ratram-pirenena, dia 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 izy ireo — tsy amin’ny maha-Hutu na Tutsi, fa amin’ny maha-Rwandais iray : « 𝑁𝑑𝑖 𝑈𝑚𝑢𝑛𝑦𝑎𝑟𝑤𝑎𝑛𝑑𝑎 ».
- Natsangany ny 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐆𝐚𝐜𝐚𝐜𝐚, ny 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚 𝐍𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐡𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝐂𝐍𝐔𝐑), ary niaraka tamin’izany ny 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐡𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐨𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐨𝐞𝐤𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚.
📖 Soa fianatra : « 𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚, 𝐚𝐫𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐥𝐨𝐤𝐚. »
#Fokonolona #Fitokisana #Fanavaozana #BaingaMivadika #Fanorenana #RafitraVaovao #MichaëlRandrianirina #Filoha #PRRM #PrésidenceDeLaRefondation de la #RépubliqueDeMadagascar #Madagasikara ho an'ny #Malagasy mba ho #SoaIMadagasikara</p>