📰 Maresaka bé amin'izao fotoana izao ny raharaha #MamyRavatomanga. Maro isika no gaga satria dia vola tsy toko tsy forohana no manakoako.
💭 Saingy tena tokony ho gaga tokoa ve isika ? Satria nisy ireo niara-dia, nisy ireo niray tsikombakomba, ary nisy koa ireo nahafantatra fa nangina noho ny tahotra.
Fa ny maro amin’ny Malagasy kosa — dia niharan’ny herisetra sy ny fahoriana isan’andro, vokatry ny fanodikodinana ny volam-bahoaka.
🚌 Tranga iray niseho tamin’ny 2016 no mba zaraiko aminareo eto. Tao anaty bus ho eny Alakamisy, ketsona teo Ambohidratrimo, no iny hitako fiara goavana anakiroa avy eny Andakana.
Izaho variana mijery ireto fiara, dia reko ilay Ramatoa lehibe nipetraka teo anilako niteny moramora hoe : “Ianao io izany no tena mampijaly anay Malagasy eto. Izao no mba teniko : rehefa ho avy ilay andro handaozanao ity fiainana ity, rehefa hijintra ireo sandrinao ireo… mba tiako ho hita raha afaka hamihina na iraimbilanja aza entinao hanaraka anao.”
Nitodika nijery ahy izy. Izaho moa tsy niteny, fa nitsiky am-panajana, toy ny nitaizana hatramin’ny fahazazako, mangina tsy mamaly rehefa miteny ny Ray aman-dReny sy ny zoky.
Dia nampiany hoe : “Mbola ho avy ny olon-tsara hanasoa ity firenena ity. Fa raha toa anao sy ny forongonao aloha, dia ho ratsy fiafarana raha mbola masina ity Gasikara ity.”
🙏 Asa raha mbola velonaina io Ramatoa lehibe io. Fa mba tiako ho re izay lazainy mikasika izao raharaha izao. Sady mba tiako tenenina azy hoe : “Marina ny teninao tompoko. Io izy io mitsintongana afabaraka. Ary enga anie ka mba marina ilay teninao mikasika ilay mpitondra hanasoa.”
🇲🇬 #Ravatomanga #TantaraMarina #FeonNyVahoaka #Madagasikara #Madagasikara ho an'ny #Malagasy mba ho #soaimadagasikara