Tantara kely ho an’ny taona vaovao Madagasikara

Tantara kely ho an’ny taona vaovao : fitokisana, fanajana ary fanorenana an’i Madagasikara

Nisy namana iray, Malagasy monina any Frantsa, tonga nandalo teto Madagasikara. Nandritra ny fijanonany dia izy no nitondra ny fiaran’ny rainy.
Hatramin’ny andro voalohany dia tsy nitsahatra ny fianakaviana sy ny namana niteny taminy hoe :

  • 👉 𝑀𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑑𝑎𝑛𝑎
  • 👉 𝐹𝑎𝑑𝑖𝑜 𝑛𝑦 𝑙𝑜𝑧𝑎𝑚-𝑝𝑖𝑓𝑎𝑚𝑜𝑖𝑣𝑜𝑖𝑧𝑎𝑛𝑎, 𝑖𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑓𝑎 𝑛𝑦 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑟𝑎𝑡𝑟𝑎
  • 👉 𝐴𝑟𝑦 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑖𝑛’𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦 : 𝑚𝑖𝑒𝑧𝑎ℎ𝑎 ℎ𝑜 𝑑𝑖𝑠𝑐𝑟𝑒𝑡, 𝑠𝑎𝑜 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑐𝑜𝑛𝑡𝑟ô𝑙𝑒, 𝑠𝑎𝑜 𝑑𝑖𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑦 “𝑚𝑎𝑛𝑜𝑡𝑟𝑎”, 𝑖𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑟𝑎ℎ𝑎 ℎ𝑖𝑡𝑎 ℎ𝑜𝑒 𝑀𝑎𝑙𝑎𝑔𝑎𝑠𝑦 𝑎𝑣𝑦 𝑎𝑛𝑦 𝑖𝑣𝑒𝑙𝑎𝑛𝑦 𝑖𝑎𝑛𝑎𝑜.

Noraisiny tsara izany lesona izany.
Nitondra tamim-pitandremana izy, tsy namaly fanevatevana eny an-dalana, na dia misy tsy fanarahan-dalàna sy fitondran-tena tsy mendrika ataon’ny mpamily sasany aza, indrindra ireo fiara fitateram-bahoaka.
Nandalo andro, nandalo herinandro. Tsy nisy olana.

Fa indray andro, teny amin’ny lalana avy any Tsarasaotra mankany Antanimena, teo akaikin’ny Rocade Marais Masay sy ny Rue Ravoninahitriniarivo, dia sendra sarety mitondra omby izy.
Napetrany tsara ny clignotant, niandry fotoana malalaka, ary nihoatra ilay sarety am-pilaminana tanteraka. Lavitra be alohan’ny rond-point no nanaovany izany.
Dépassement madio, milamina, tena mendrika fanadinana auto-école mihitsy.

Nefa tonga teo amin’ny rond-point dia… 𝑠𝑖𝑓𝑓𝑙𝑒𝑡.
Polisy motard iray no nanakana azy. Nanao fombafomba feno fanajana : fiarahabana, fampahafantarana tena —
“𝐏𝐨𝐥𝐢𝐬𝐲 𝐧𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲.”

Namaly tamim-panajana ihany koa ilay namana :
“𝐌𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐛𝐚 𝐬𝐞𝐟𝐨 ! 𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐲 𝐢𝐳𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐲 ?”

Nilaza ny polisy fa nandika lalàna izy, nanao dépassement mampidi-doza.
Namaly am-panajana ilay namana fa nitandrina tsara izy ary tsy nisy fiara avy ao aoriana.
Fa hoy ny polisy :
— “𝐸𝑛𝑦, 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦, 𝑓𝑎 𝑛𝑖ℎ𝑜𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑠𝑎𝑑𝑦 𝑛𝑎𝑛𝑑𝑖𝑘𝑎 𝑡𝑠𝑖𝑝𝑖𝑘𝑎 𝑓𝑜𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑡𝑜ℎ𝑦.”

Namaly ilay namana :
— “𝑆𝑒𝑓𝑜, 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑡𝑠𝑖𝑝𝑖𝑘𝑎 𝑓𝑜𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑡𝑜ℎ𝑦 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛𝑎.”

Dia tonga ilay fehezanteny tsy hay hadinoina :
— “𝑇𝑠𝑦 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑡𝑠𝑖𝑝𝑖𝑘𝑎 𝑓𝑜𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑡𝑜ℎ𝑦, 𝑓𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑛-𝑡𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎.”

Tsy vazivazy izany.
Tsaroan’ilay namana avy hatrany ireo torohevitra rehetra momba ny contrôle eto an-toerana.
Ka dia niala tsiny izy :
“𝐀𝐳𝐚𝐟𝐚𝐝𝐲 𝐬𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐞𝐥𝐲 𝐚𝐡𝐨.”

Nangatahana ny permis sy ny taratasy fiara.
Permis vahiny (tsy mbola international).
Taratasy fiara hadino tao an-trano.

Dia hoy ny polisy :
— “𝐵𝑒 𝑑𝑖𝑎 𝑏𝑒 𝑛𝑦 𝑖𝑛𝑓𝑟𝑎𝑐𝑡𝑖𝑜𝑛𝑠… 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑖𝑛𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎 𝑎𝑛𝑦 𝑇𝑠𝑎𝑟𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑎𝑛𝑎𝑜.”

Fantatsika rehetra ny dikan’izany : fahasarotana, faharetana, dossier mety tsy hifindra toerana, sns.
Dia hoy indray ilay namana, am-pahatsorana tanteraka :
“𝐀𝐳𝐚𝐟𝐚𝐝𝐲 𝐬𝐞𝐟𝐨 𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐨, 𝐝𝐢𝐬𝐨 𝐚𝐡𝐨. 𝐓𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨 𝐢𝐭𝐲 𝐟𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐃𝐚𝐝𝐚, 𝐯𝐚𝐨 𝐧𝐨𝐝𝐢𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐢𝐳𝐲, 𝐤𝐚 𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐚𝐭𝐲 𝐚𝐡𝐨 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐞𝐯𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲.”

Nangina kely ilay polisy.
Avy eo hoy izy :
“𝐌𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚. 𝐌𝐚𝐡𝐞𝐫𝐞𝐳𝐚. 𝐅𝐚 𝐦𝐢𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐨. 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚.”

Nosakanany ny fifamoivoizana, dia nanome lalana, ary nampandeha ilay namana.


👉 𝐌𝐢𝐬𝐲 𝐥𝐞𝐬𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐨𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐝𝐢𝐧𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐨 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 2026.
Ao anatin’ny toe-javatra sarotra lalovany i Madagasikara izao, ka 𝐢𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚.

Tsy mora ny lalana mankany amin’ny 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑜𝑟𝑒𝑛𝑎𝑛𝑎. Hisy sakana, hisy tsy fifankahazoana, hisy lalàna voasoratra… ary hisy koa ireo “lalàna ao an-tsaina”.

Nefa raha misy 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚, dia tsy tokony hanakana antsika amin’ny fanavaozana sy fanorenana ny firenentsika izany.
Eny tsy midika izany fa tsy mahazo manakina sy miteny ny tsy mety, fa tokony mijanona anaty fahendrena sy fanajana.

Anio, ny fanavaozana sy ny fanorenana dia tsy safidy intsony, fa 𝐚𝐝𝐢𝐝𝐲 𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚.

Ny Madagasikara aorintsika tsy midika ho lasa mpanankarena sy mpanefoefo daholo isika rehetra.
Fa ny firenena ilaintsika kosa dia tokony hahavita 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐤𝐞𝐥𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐢𝐧𝐚 ho an’ny vahoakany :

  • fahasalamana mendrika,
  • fanabeazana manome toky ho an'ny ho avintsika tsirairay sy iombonana,
  • fotodrafitrasa manohana ny fiainana andavanandro ho an'ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy.

Tsy tokony hisy intsony Malagasy voatery 𝐦𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐟𝐢𝐯𝐞𝐥𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐤𝐚𝐭𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚, fa tokony ho firenena ahafahan’ny olona 𝐦𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐦𝐞𝐧𝐝𝐫𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 i Madagasikara.

Ary ny harenan’ity tany ity dia tokony 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚, fa tsy ho lasa tombontsoa ho an’ny vitsy an’isa.

👉 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐝𝐢𝐚 ho 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲.
👉 Ary rehefa mifampitoky sy mifampanaja isika, dia azo tanterahina ny ho avy iombonana.

🇲🇬 𝐇𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐢𝐧𝐣𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚.

#SoaiMadagasikara #Madagasikara #Refondation #FiainanaMendrika #Fifampitokisana
#Fifampanajana #HoavyIombonana #VahoakaMalagasy #DiasporaMalagasy #Firenena #Fanarenana #RarinySyHitsiny #MadagasikaraHoAnNyMalagasy

ℹ️ Avis personnel — Les opinions exprimées dans cet article sont personnelles et n'engagent que l'auteur. Elles visent à nourrir la réflexion et le débat constructif sur Madagascar.

Partager cet article :