🔥 Dia izay, nivoaka ny lisitry ny governemanta vaovao.
Fantatsika izao ny anaran’ireo handray andraikitra.
Hanomboka ny herinandro feno famindram-pahefana, feno tsiky sy kabary tsara lahatra. Ary tsy ho ela dia hiparitaka amin’ny tambajotra indray ireo lahatsoratra sy “fanadihadiana” — iza no manana tantara maizina, iza no manana casserole, iza no tian’ny olona… 😏
Kanefa, mandritra ny fotoana lany amin’ny firesahana sy fizarazarana izany rehetra izany, dia maro amin’ny Malagasy no mbola miandry jiro sy rano ary fanatsarana ny fiainana andavanandro. 💧
💡 Hatreto aloha, tsy misy zava-baovao. Mbola manaraka rafitra tandrefana ihany isika — rafitra izay fantatra fa tsy mifanaraka intsony amin’ny maha-Malagasy antsika.
Ka satria, efa faly ireo mpitsidika avy any ivelany hoe “milamina” indray i Madagasikara, dia aleo isika hifantoka amin’izay ny #Fanarenana.
👉 Andao àry hiasa.
👉 Andao hifanakalo hevitra sy hiara-hanangana ny hoavin’i Madagasikara — ho avy mifanaraka amin’ny fototra sy rafitra mety amintsika.
👉 Aoka izay ny fampiharana rafitra izay nanararaotra sy nanimba antsika hatramin’izay.
🇲🇬 Ary aoka koa re tsy ho adinontsika fa ny tena fandrosoana dia fitanana ny tsara avy amintsika, ary fakana ny tsara avy amin’ny hafa. Samy mahatadidy an’io isika rehetra.
#Fanarenana #RafitraVaovao #Madagasikara ho an'ny #Malagasy Mba ho #soaimadagasikara