🗓️ Fandikana an-tsoratra ny kabarin’ny Filoham-panjakana Kolonely Michaël Randrianirina ny 28 Oktobra 2025.
📍 Raha tsiahivina dia ireto no teboka sy fotokevi-dehibe mamaritra ny politika ankapobeny, hoentina mitondra ny tany sy ny firenena mandritra ny fe-potoana roa taona fara-faharetany.
---
🔹 𝗩𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 :
Ny fitadiavam-bahaolana faran’izay haingana, indrindra mikasika ireo sehatra manakaiky sy tena maharary ny vahoaka toy ny :
⚡ Angovo
🕊️ Fandriampahalemana
🏥 Fahasalamana
🎓 Fampianarana
💠 Soatoavina
🍚 Famehezana ireo vokatra fanjifaina ilaina andavanandro
⚖️ Fametrahana ny politika-pititisiana
💼 Fijerenana ireo sehatra-pihariana rehetra mampidi-bola ho an’ny fanjakana, no sady mampiodina ny toe-karena toy ny sehatry ny fizahan-tany, ny fambolena sy ny la vanillia
🏢 Fametrahana tontolo-pandraharahana voaharo sy milamina
💰 Fanenjehana ireo fanetribe ny firenena, sy ny famerenana ireo harem-pirenena naodinkodin’izay ireo.
---
🔹 𝗙𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮 :
Ny fametrahana sy ny fandrindrana ireo paikady hoentina mametraka ny fototry ny politikàn’ny fanarenana ny rafi-pitondrana, sy ny rafi-pitantanana mifanaraka amin’ny hetahètam-bahoaka.
---
🔹 𝗙𝗮𝗵𝗮𝘁𝗲𝗹𝗼 :
Ny fikarakarana sy fandrindrana atrik’asa marolafy, hoenti-mandrafitra ny Lalàmpanorenana sy ny Lalàmpifidianana, ary ny fametrahana ny fandaminana rehetra mahakasika izany fifidianana izany.
---
👉 #PGE2025_2027 #PolitikaAnkapobeny #FanjakanaVaovao #SoaIMadagasikara #Refondation #MichaelRandrianirina #Madagasikara ho an'ny #Malagasy mba ho #soaimadagasikara