Iza no nahita lavitra tamin’ny 25 septambra lasa teo, fa iray volana taty aoriana dia hisy izao tantara lehibe izao :
👉 Andry Rajoelina, filoha teo aloha, very zom-pirenena malagasy,
👉 ary Mamy Ravatomanga, lehilahy iray tena nanana fahefana sy vola, voasambotra.
Samy tandindon’ny fitondrana tsy marina sy kolikoly lalina izy ireo, ka ny zava-mitranga androany dia manamarika dingana vaovao amin’ny fanarenana tanindrazana notakian’ny vahoaka manontolo — indrindra ny Gen Z, izay nanomboka ny hetsika fanovana.
Na izany aza, tsy misy ody mahagaga hamaha avy hatrany ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mila fandeferana sy faharetana isika vao hahita vokatra amin’ny fotoana fohy, antonony ary lavitr’ezaka. Ary koa, tsy avela hisoloky antsika ny zava-misy : mbola mitoetra lalina ny kolikoly eto amin’ny firenena.
Tsy ho sitrana ao anatin’ny iray volana izany. Fa ilaina ny famerenana ny harem-pirenena sy fananan’olona amin’ny tompony ara-dalàna, ho famerenana ny rariny sy ny fitokisana.
Farany, tsy hisy fanarenana tena izy raha tsy averina amin’ny toerany ny andraikitry ny Fokonolona, fototra iorenan’ny fiarahamonina sy ny fitondrana malagasy marina.
📅 Iray volana taty aoriana, efa hita ireo dingana voalohany hametrahana ny rafitra vaovao. Fa izao kosa vao tena ho fanombohan’ny asa fanorenana sy fananganana ny firenena vanona.
#Madagasikara #Fanarenana #GenZ #AndryRajoelina #MamyRavatomanga #Kolikoly #Fokonolona #fanavaozana #rafitravaovao #Madagasikara ho an'ny #Malagasy mba ho #soaimadagasikara