Aoka isika hifoka rivotra kely : Inona no andrasantsika amin’ny Praiminisitra vaovao ?

Fantatra ny 20 Oktobra 2025 ny anaran'ny Praiminisitra vaovao : #HerintsalamaRajaonarivelo, izay notendren’ny Filoham-pirenena #MichaëlRandrianirina.

Tsy ela taorian'izay dia efa nirehitra ny tambajotra : sary miparitaka, ahitana azy miaraka amin'ireo olona manan-kaja, ara-politika sy ara-toekarena, eny fa na ireo malaza ho mpanao kolikoly.
Tsikaritra amin'izany ny fanehoan-kevitra mahazatra hoe “efa lany tamingana daholo ry zareo rehetra ireo”.

 

Andao aloha isika rehetra hisento kely. Ka hanontany tena amin’ny saina tony :
Inona marina no andrasantsika amin’ny Praiminisitra vaovao ?
Hanangana ny #RafitraVaovao ?
Ka tsy maintsy miaraka sy misafidy azy isika izany ?

Olana amin’ny fankatoavana rehetra

  • Toa lasa tsy misy olona afaka eken’ny rehetra eto :
  • tsy maintsy hankasitrahan’ny antoko politika rehetra,
  • tsy maintsy tian’ny taranaka X, Y, Z,
  • tsy maintsy ankatoavin'ny tambajotra sosialy sns...

Raha fintinina izany dia mitady olona tsy misy isika. Ka sao re mba misy fomba tsotra kokoa :
Inona no maharatsy raha ekena aloha ny safidin’ny Filoham-pirenena, satria izy no nandray andraikitra sy nanao ny fanendrena. Avelao aloha izy hiasa.

Satria raha resaka sary miaraka amin'i Rakoto sy Ravao, na resaka fiaraha-niasa amin'i Randria sy Rasoa fotsiny no hanakipihana azy dia ho taraiky eto isika.
Zaran'ny hafa aza tsy milamina ny tany sy fanjakana mba hitohizan'ireo mandroba antsika.

Ny zavatra tokony handinihana

Ka isika #Malagasy no mila mandinika izay tena mamy amintsika : ny #firenenaiombonana sa ny metimety amintsika tsirairay avy ?
Eny ! Marina fa efa voafitaka imbetsaka ny Malagasy, ka tsy te ho diso fanantenana intsony.
Na izany aza, tsy aleo ve mba miroso amin'ny fanarenana aloha.

Sady zavatra tokana no andrasantsika amin'io fitondrana io : hanangana #RafitraVaovao. Ka hamerina indray an'i #Madagasikara ho an'ny #Malagasy mba ho #soaimadagasikara. 🇲🇬

ℹ️ Avis personnel — Les opinions exprimées dans cet article sont personnelles et n'engagent que l'auteur. Elles visent à nourrir la réflexion et le débat constructif sur Madagascar.

Partager cet article :