Tsy daty toy ny daty rehetra ny 29 Martsa eto Madagasikara. Daty lehibe izy io, satria mampahatsiahy ny tolona nataon’ny Malagasy, ny rà nalatsaka, ny famoretana, ary ny fitiavan-tanindrazana.
Saingy tamin’ity 2026 ity, hita mazava fa tsy fahatsiarovana tsotra fotsiny no natao. Nisy hafatra politika mazava koa nentina nandritra ny fankalazana.
Nandritra ny lanonana notarihin’ny Filoha Michaël Randrianirina tany Moramanga, dia tsy nifantoka tamin’ny fanomezam-boninahitra ireo martioran’ny 1947 ihany ny hafatra, fa niresaka koa ny amin’ny famelomana indray ny toe-tsaina tia tanindrazana sy ny fananganana fahatsiarovan-tena vaovao momba ny tantaran’ny firenena.
Ny fanaovana izany tany Moramanga rahateo dia efa misy dikany lehibe. Satria Moramanga dia isan’ny toerana tena mitondra ny ratran’ny tantara 1947. Noho izany, rehefa any no anatanterahana lanonana lehibe tahaka izao, dia mazava fa tiana hampifandraisina ny tolona fahiny sy ny fitondrana ankehitriny.
Izany hoe, tsy hoe mahatsiaro ireo lavo ihany no tiana ambara, fa teo koa : tokony hifohazana indray ny fanahy maha-Malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana.
Fa vao mainka nazava io lafiny politika io rehefa nijery ny hafatra nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana : “Avelao ho an’ny tanora ny sehatra. Avelao ny tanora no hitondra an’io politika io. Avelao ny tanora no hitondra io Fanjakana io...”
Tsy teny tsotra io. Manambara zavatra lehibe izy io. Satria ny hafatra dia tsy mijanona amin’ny resaka fahatsiarovana intsony, fa miditra mivantana amin’ny fomba fijery ny fitondrana sy ny fahefana. Rehefa lazaina fa tsy ny politika intsony no tokony hibahana fa ny Fanjakana sy ny asa ho an’ny tanindrazana, dia midika izany fa tiana aseho hoe tonga ny fotoana hanaovana zavatra, fa tsy hijanonana amin’ny kabary sy ny adihevitra politika fotsiny.
Vao maika manamafy izany ilay ampahany milaza fa “ity Fanavaozana ijoroantsika ity... 5 taona eo dia hisotro ronono daholo ny mpanao politika miasa amin'izao fotoana izao” ka manao antso ho an'ireo tanora izy mba hijoro tsy hanaiky vidiam-bola ka lasa manao fanambarana amin’ny zavatra “tsy maharesy lahatra akory.” Midika izany fa ampiasaina koa ny 29 Martsa hilazana hafatra mivantana amin’ny toe-draharaha ankehitriny : misy ny fanavahana eo amin’ny olona milaza ho manao politika sy ny fitondrana milaza ho manao asa, misy ny fanakianana ireo olona heverina ho voavidy na ampiasaina, ary misy koa ny filazana fa tokony hifindra amin’ny taranaka vaovao ny sehatra.
Noho izany, lasa mazava fa ny fankalazana tamin’ity taona ity dia tsy fahatsiarovana fotsiny intsony, fa lasa fomba iray hilazana vina politika koa. Toy ny hoe tiana aseho fa ny fitondrana ankehitriny dia mitondra fanavaozana, ary te hampifandray ny asa tao anio amin’ny tantaran’ny tolona nasionaly.
Saingy kosa isika rehetra dia tsy mitovy fijery amin’izany fankalazana ny 29 Martsa izany.
Nisy ihany koa mantsy ireo feo mitsikera. Anisan’izany i Monja Roindefo, izay nilaza fa misy “amnésie sélective”. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, dia hoe : misy ampahan-tantara asongadina tsara, fa misy kosa toa avela any an-kilabao, na tsy tsaroana araka ny tokony ho izy.
Izany no mampiseho fa ny 29 Martsa dia tsy daty fahatsiarovana fotsiny, fa daty mbola ifandroritana amin’ny resaka fitadidiana sy fandikana tantara koa. Satria samy manana ny fomba iheverany azy ny tsirairay : misy ny fitondrana te hanome azy hevitra sy lanja manokana, ary misy kosa ireo milaza fa tsy tokony hohadinoina ny lafiny hafa amin’ny tantara.
Noho izany, raha jerena lalina, dia manana endrika roa ny fankalazana ny 29 Martsa 2026 : ny iray, fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ireo lavo ; ny faharoa, hafatra politika momba ny firenena sy ny lalana tiana haleha.
Ary izay mihitsy angamba no tena mahaliana azy : ny 29 Martsa 1947 dia mbola velona ao an-tsain’ny firenena. Tsy tantara efa lasa fotsiny izy, fa mbola ampiasaina hiresahana ny firaisam-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana, ny fanavaozana, ny fitondrana, ary ny hoavin’i Madagasikara.
Raha fintinina, tamin’ity taona 2026 ity, dia hita fa ny hafatra tiana hapetraka dia izao : tsy ampy intsony ny hoe mahatsiaro ny lasa, fa ilaina koa ny maka lesona avy amin’izany, ary mampiasa izany ho fototra hananganana ny firenena. Ary araka ny hafatra ofisialy navoaka, dia tian’ny fitondrana hasongadina fa tonga ny fotoana tsy hiadian-kevitra politika intsony, fa fotoanan’ny Fanjakana, ny fanavaozana, ary ny asa ho an’ny tanindrazana izao.